Oniversite – Antananarivo : miato ao anatin’ny 48 ora ny hetsiky ny mpianatra

0

Nilamina ny teny Ankatso sy ny manodidina io maraina io. Taorian’ny fifampiresahana teo amin’ny solontenan’ny mpianatra ao amin’ny fakiolten’ny sciences sy ny filohan’ny oniversite an’Antananarivo, miato ny hetsika ary ao anatin’ny 48 ora no amahana ny olana rehetra momban’ny fitakiana ny vatsim-pianarana.