CNFPPSH : nandray anjara tamin’ny hetsika momba ny asa ho an’ny olona manana fahasembanana

0

Mbola olana eto amintsika ny fidiran’ny olona manana fahasembanana eo amin’ny tontolon’ny asa. Ny fanarahana azy ireo aorian’ny fampiofanana ireo olona manana fahasembanana no isany andraikitra goavana apetrakin’ireo toeram-pampiofanana ho an’ny olona manana fahasembanana ary isan’izany ny CNFPPSH na ny Centre national de formation professionnelle des personnes en situation de handicap.