Ady amin’ny herisetra : voatendry masoivohon’ny UNFPA i RAJOELINA Mialy

0

Notendren’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny mponina ho masoivohony momba ny herisetra miankina amin’ny saranga ny vadin’ny filohan’ny repoblika Mialy RAJOELINA. Io no nivoitra nandritra ny fanamarihana ny faha-50 ny UNFPA tetsy Anosy omaly. Nohamafisiny tamin’izany ny fahavononay hampitsahatra tanteraka ny endrika herisetra mianjady amin’ny zaza amam-behivavy « na ny zero tolérance ».