Ady amin’ny Covid-19 : miara-misalahy ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina

0

Mifanome tanana amin’ny fitondram-panjakana ny eo anivon’ny sehatra tsy miankina amin’ny fiatrehana ny valan’aretina Coronavirus. Isany amin’izany ny orinasa Vivo Energy, izay nanolotra solika 30 000 litatra ho an’ny C.C.O Covid-19 eny ivato, teo ihany koa ireo orinasa nanome tanana ny kaominina Antananarivo.