Ady amin’ny Kere: nanao antso hitadiavana famatsiam-bola ny fitondram-panjakana

0

Nanomboka androany faha-18 ny volana 2020 ny APPEL ECLAIR na ny antso hitadiavana famatsiam-bola hiadiana amin’ny kere any amin’ny tapany atsimo. Mitentina 75.9 tapitrisa dolara ny vola andrasana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny maro hafa amin’izany. Famatsiam-bola izay hahafahana manohy ny tetikasa samihafa hiadiana amin’ny kere ary hisorohana famoizana ain’olona maro ihany koa.