Airmad – Jirama : Aiza ny Audit?

0

Mbola mampamametram-panontaniana ny eo anivon’ny Antoko  Malagasy Miara-Miainga hatreto ny fomba fitantanana eto Madagasikara, indrindra ny fomba fanampiana ireo orinasam-panjakana. Tsy mbola misy hatreto ny mangarahara amin’ny fitantanana ireo orinasa ireo raha ny fanambarana nataon’ny MMM omaly. Orinasa izay tokony hanaovana fanadihadiana lalina amin’ny tsy fahombiazany hatramin’izao.