Akademia Malagasy : nisokatra androany ny taom-piasana 2019 – 2020

0

Ny fanamafisana ny fikarohana momba ny teny sy fikarohana siantifika amin’ny ankapobeny no asa laharampahamehana ho an’ny Akademia malagasy amin’ny taom-piasana 2019 -2020 ity. Namporisika ny Akademisiana hiroso lalina amin’izany ny praiminisitra izay nanamafy ny mahazavadehibe ny fikarohana eo amin’ny lafiny fampandrosoana.