Natomboka tamin’ny 13 mai lasa teo ka hatramin’ny 28 mai 2023 ho avy izao ny fankalazana ny faha 10 taonan’ny Alumni-day na andro maneran-tany natokana ho an’ireo mpianatra na ireo « Alumni » izay nianatra tany Frantsa ka nahazo diplaoma iraisam-pirenena tamin’ny fampianarana ambony.