Ambany Tanàna : tsy manaraka ny fepetra hifehezana ny fiparitahan’ny Covid-19 ny mponina

0

Tsy manaraka ny toromarika hifehezana ny fihanaky ny valan’aretina Covid-19 ny  mponina eny ambany tanàna. Miaina toy ny andavan’andro ary manao ambany maso tsy hita ny fisian’ny valan’aretina ny ankamaroany ny araka ny fanadihadiana teny Anosibe Nanahazana sy ny manodidina. Takiana ny fidinana ifotony ataon’ny tomponandraikitra indrindra ny fanafoanana ny tsenan’ny Nanahazana izay mamory olona an’arivony isan’andro, hoy ny lehiben’ny faritra.