Ambilobe – Vohémar : mitohy ny asa fanamboaran-dalana

0

Nidina ifotony nijery ny asa fanamboaran-dalana mampitohy an’Ambilobe -Vohémar sy Ambilobe – Antsiranana, RN 6 ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny Asa Vaventy. Mitohy ny asa fa tsy araka ny feo mandeha etsy sy eroa ary tsy maintsy ho vitaina araka ny tokony ho izy.