Ambohitrimanjaka : nidina an-dalambe ny mponina.

0

Fandraràna ny asa fanaovam-biriky antom-piveloman’ny mponina, famarotana tany amina orinasa iray, ny fanariana fako ataon’ny kaominina manodidina eny an-toerana, ireo raha fintinina ny anton’ny savorovoro teny Ambohitrimanjaka omaly maraina. Nanatanteraka diabe nihazo ny biraon’ny kaominina ny mponina ary nitokona sy nilanja sora-baventy teo anoloan’ny vavahadin’ny kaominina izy ireo.