Amiraly Didier Ratsiraka : tontosa teny Iavoloha ny fanomezam-boninahitra ara- miaramila azy

0

Tontosa androany teny Iavoloha nialohan’ny nanitrihan’azy teny amin’ny fasan’ny mahery fo Mausolée, ny fanomezam-boninahitra ara-miaramila ny filoha teo aloha Amiraly Didier Ratsiraka. Tsy misy afaka mandà hoy ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina fa tena nahavita zavatra maro teto amin’ny firenena ny Amiraly Didier Ratsiraka ka mendrika azy ny fanomezam-boninahitra tahaka ny androany.