Andiany faha-47 : tsy tokony ho sakana velively amin’ny fanaovana fifidianana Filohampirenena

0

Nilaza ho manokatra adi-hevitra momba ny hanitsiana ny Lalàmpanorenana, indrindra ny andiany faha-47 mialoha ny fifidianana Filohampirenena ny Filohampirenena Hery Rajaonarimampianina nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety ny sabotsy lasa teo. Tsy tokony ho sakana amin’ny fanaovana fifidianana Filohampirenena amin’ny 2018 anefa izany raha ny voalazan’ny CENI.