Andro 1 mialohan’ny fifidianana : mitohy hatrany ny filaharana haka ny kara-pifidianana

0

1 andro mialohan’ny fifidianana, mitohy hatrany ny filaharana haka ny kara-pifidianana eny anivon’ny fokontany. Tsy maintsy nisokatra tamin’ny 5 ora maraina ny fokontany sasany ary tsy mikatona raha tsy amin’ny 8 na amin’ny 9 ora alina. Na eo aza anefa izany rehetra izany, vonona hiatrika fifidianana ny vahoaka Malagasy.