Anjeva Gare : renim-pianakaviana iray  nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana

0

Renim-pianakaviana iray no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tao Anjeva Gare ary lasan’ireo mpanao ratsy ny vola an-tapitrisany maro sy ny firavaka teny aminy. Manahy mafy ny hisian’ny kolikoly amin’ireo mpanao famotorana sy ireo olona ahiahiana ho nahavanon-doza manoloana izany ny fianakavian’ity niaram-boina ka manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra mahefa hijerena akaiky ny raharaha.