ANKATSO : mitaky ny fandoavana ny karamany 2 volana ny mpiasan’ny CROUA

0

Mitaky ny fandoavana ny karamany 2 volana ny mpiasan’ny CROUA eny anivon’ny oniversiten’Antananarivo. Efa maro ny dingana narahana tamin’izany saingy nijanona ho fampanantenaina fotsiny ihany, hoy ny sendikan’ny mpiasan’ny CROUA. Ny fitakiana izay niafara tamin’ny fampitsahara tamin’ny asa ho an’ireo mpitarika miisa 4.