Accueil Faits divers Anovorano – Merimandroso : renim-pianakaviana maty nokapaina famaky

Anovorano – Merimandroso : renim-pianakaviana maty nokapaina famaky

0
Anovorano – Merimandroso : renim-pianakaviana maty nokapaina famaky

Trangam-piarahamonina, nitrangana vono olona  mahatsiravina tao amin’ny fokontany Anovorano, kaominina Ambanivohitr’i Merimandroso, distrikan’Ambohidratrimo ny alin’ny Asabotsy. Renim-pianakaviana 70 taona no maty nokapaina tamin’ny famaky ary natsipy tao anaty lava-drano taorian’izay. Efa mandeha ny famotorana ary takiana ny sazy mifandraika ho an’ny nahavanin-doza hoy ny fianakavian’ny maty.