Antananarivo : manodidina ny 10 000 ny olona voasazy nanao asa ho an’ny daholobe

0

Manodidina ny 10 000 ny isan’ny olona nampanaovina asa ho an’ny daholoba nandritra izao fihibohana izao raha ny tatitra navoakan’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka. Ho an’ny mpandinika ny fiarahamonina, tokony ovaina ny fomba fanentanana ny olom-pirenena mba ahatsapa tena amin’ity ady iombonana ity.