Nankatoavin’ireo solombavambahoaka androany ny volavolan-dalàna ho fanomezana fahefana ny filohampirenena raha toa ka tapitra ny 05 Febroary izao ny fepo-toam-piasan’izy ireo. Ankilany lany teny anivon’ity antenimiera ity ihany koa ny lalàna mahakasika ny fifidianana solombavambahoaka izay averina amin’ny lalàna nampiasaina tamin’ny taona 2013.