Antenimierandoholona : nanao tatitra ny vaomiera mpanao famotorana androany

0

Tontosa androany tetsy Anosikely ny tatitra lehibe notanterahin’ireo vaomiera mpanao famotorana eo anivon’ny Antenimierandoholona. Misokajy efatra lehibe ireo teboka nivoitra nandritra izany, isan’ireny ny mahakasika ny vola azo niatrehana ny covid-19 teo ihany koa ny mahakasika ny fahitan’izy ireo ny doublon teo anivon’ny lisi-pifidianana.