Antenimierandoholona : nandany ny fanovana natao mahakasika ny PAC

0

Lany nasiam-panitsiana teny anivon’ny Antenimierandoholona omaly ny tolo-dalàna manova ny andininy sasantsasany mahakasika ny PAC na ny Pôles Anti-corruption. Hevidehibe maro no nanamarika ny fanavaozana anatin’ny tolo-dalàna. Lany ihany koa ny tolo-dalàna mahakasika ny Autonomie des Universités raha toa ka nolavin’ny Antenimieran-doholona ny mahakasika ny famokarana sy ny famarotana taoka Gasy.