Antoko Malagasy miara-miainga : mila hatosika sy omena fahefana ny eny ifotony

0

Tanteraka tamin’ity androany ity ny fihaonan’ny Filoha Nasionalin’ny Antoko MMM, notronin’ireo olom-boafidy, niarahana tamin’ireo vahoaka tao amin’ny faritra Amoron’i Mania, izay notanterahana tao Ambositra. Ilaina fahasahiana ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana hoy ny filohan’ity antoko ity na eo aza ny tsindry sy sakana samihafa raha tiana ny hampandroso ny firenena.