Antoko Malagasy Miara-Miainga

Vonona hifanome tanana amin’ny mpanao gazety hanarina ny lalàna mifehy ny serasera

0

Navoakan’ny Filohan’ny Repoblika hampiarina ny lalàna mifehy ny serasera na dia efa nanambara ary ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana fa ny andininy faha 6 ao anatin’io lalàna io mila ahitsy ifanaraka amin’ny Charte Africaine des droits de l’homme et des peuples. Tranga tsy ara-dalàna izany hoy ny filohan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga. Ary izay no antony ilana ny fijoroan’ny mpanohitra hilaza ny zavatra tsy mety mitranga eto amin’ny tany sy ny firenena.