Antoko MMM : mitaky ny hampiatoana ireo solombavambahoaka nandray kolikoly

0

Manameloka ny fomba fandaniana ny lalàna mifehy ny fifidianana teny anivon’ny antenimieram-pirenena ny antoko Malagasy Miara Miainga raha ny nambaran’ny filohany. Takian’izy ireo ihany koa ny hanaovana fanadihadiana sy ny hampiatoana ireo solombavambahoaka voakasika amin’ny kolikoly tamin’ny nandaniana ny volavolan-dalàna fehizoro mifehy ny fifidianana.