Antsahadinta : tokantrano maro no notetezin’ireo jiolahy mihoatry ny 30.

0

Tokantrano maro no notetezin’ireo jiolahy mirongo basy tao amin’ny fokontany 1 ao Antsahadinta omaly halina tokony ho tamin’ny 9 ora. Lasa avokoa ny vola sy ny fananana sarobidy rehetra, nisy ny naratra ary nisy ny voaolana sy notao takalon’aina. Manao antso avo amin’ny mpitondra ny mponina any an-toerana mba hanampy isa ny mpitandro filaminana any an-toerana.