Augustin Andriamananoro : nambarany omaly fa hilatsaka ho kandida Filoham-pirenena amin’ny 2023 ny Filoha Andry RAJOELINA

0

Efa manomboka amin’ny fanatanterahana ny fampielezan-keitra mialohan’ny fotoana ny mpomban’ ny Filoha Rajoelina amin’zao fotoana izao. Nanambara ohatra tale jeneraly misahana ny tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika, Augustin Andriamananoro nandritra ny fitsidihana notontosainy tany Tsiroanomandidy fa ho kandida Filoham-pirenena ny taona 2023 ny Filoha Andry Rajoelina.