Augustin Rakotomanga (sendika-Air Madagascar) : mila fitsaboana any ivelany

0

Ny tsy fahampian’ny fitaovana hahafahana mitsabo ny aretin’ny voa eto amintsika no manery ny fandefasana olona hanaraka fitsaboana any ivelany raha ny fanazavan’ny mpitsabo nanaovana fanadihadiana. Tranga izay mahazo ny iray amin’ireo mpitarika sendikaly teo anivon’ny airMadagascar ankehitriny izay tsy mbola naverin’ny fanjakana hiasa tato anatin’ny 38 volana. Tomponandraikitra feno amin’ny fijerena ny toe-pahasalamany ny fitondrampanjakana raha ny fanadihadiana natao.