Banky iraisam-pirenena : nanolotra 392 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara

0

Nandritra ny fanambarana niombonana teo amin’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy RAJOELINA Andry sy ny Filoha vaovaon’ny Banky iraisam-pirenena David MALPASS androany teny amin’ny lapam-panjaana Iavoloha no nahafantarana fa nanome vola mitentina 392 tapitrisa dolara amerikanina ny firenena Malagasy ny Banky iraisam-pirenena hanampiana ny tetikasa fampandrosoana eto amintsika.