Accueil Sport Barea de Madagascar : mpilalao iray tratry ny Covid-19

Barea de Madagascar : mpilalao iray tratry ny Covid-19

0
Barea de Madagascar : mpilalao iray tratry ny Covid-19

Mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy iray no voamarina fa mitondra ny valan’aretina Covid-19 araka ny valin’ny fitiliana TDR natao tany DAR ES SALAM. Tsy mbola fantatra mazava ny mpilalao hatreto saingy efa noraisina ny fepetra mifandraika amin’ny fahasalamany sy ny fifehezana ny mety ho fihanaky ny valan’aretina raha ny fanambarana navoakan’ny Federasiona Malagasy ny Taranja Baolina Kitra androany.