Barea de Madagascar : nisy andian’olona nitoraka ny fiara nitondra azy ireo omaly alina

0

Tontolon’ny baolina kitra indray kosa. Nisy andian’olona nanakana sy nitoraka ny fiara nitondra ny ekipan’ny Barea de Madagascar rehefa nody tokony tamin’ny 8ora alina. Korontana nateraky ny fahatapahan-jiro no niteraka io fitorahana io raha ny nambaran’ny teo anivon’ny Fédération Malagasin’ny Baolina.