Ben’ny tanàna vaovao : afaka mandray ny asany avy hatrany

0

Afaka mandray ny asany avy hatrany ireo Ben’ny Tanàna izay voafidy taorian’ny famoahan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ny voka-pifidianana ofisialy raha ny nambaran’ny mpahay lalàna. Ny famindram-pahefana ara- pitantanana no hirosoana voalohany. Aorian’izay kosa, afaka ny miroso amin’ny fivoriambe voalohany miaraka amin’ny filan-kevitra monisipaly ny ben’ny tanàna.