Bongatsara : tsy eken’ny mponina ny famefena ny lalana

0

Nanatanteraka fihetsiketsehana ireo mponina tao amin’ny fokontany Beparaky, kaominina Bongatsara tamin’ity androany ity. Antony, nofefen’olon-tsotra ny lalana hifandraisan’ity fokontany ity amin’ny manodidina. Fefy, izay tsy ara-dalàna hoy ny ben’ny tanànan’i Bongatsara.