Brigade d’Intervention spécial : voafonja 114 nanaovana fitiliana

0

Taorian’ny fihibohona 15 andro tetsy amin’ny fonjan’Antanimora, gadra vao nahiditra am-ponja 114 no nataon’ny Brigade d’Intervention spécial fitiliana ny tsimon’aretina COVID-19 ny zoma lasa teo. Tanjon’ny fitiliana ny hisorohana ny mety hiparitahan’ny valan’aretina eny anivon’ny toeram-pamonjana.