Brique écologique : vitsy ny mampiasa azy amin’ny fanorenena fotodrafitrasa

0

Manomboka vokarina eto amintsika ny biriky tsy maminmba tontolo iaianana na ireny antsoina écologique ireny. Orinasa madinika iray mampiasa olona 10 hatreto no misehatra amin’izany hatreto. Tany mena sy simenitra ny akora fototra ahazoana ny vokatra izay ahitana karazam-biriky 3 samy manana ny asany avy.