Ceni : niezaka nandresy lahatra ny mpanao politika fa tsy mihevitra ny hanemotra fifidianana Filohampirenena

0

Nandritra ny andro fahatelo farany tamin’ny fihaonan’ny mpanao politika sy ny CENI teny Nanisana omaly maraina no niezahan’ity Vaomiera Mahaleotena misahana ny fifidianana ity nandresy lahatra ny mpanao politika fa tsy antony tokony hanemorana fifidianana ny tsy faharisian’ny mpifidy misoratra anarana anaty lisi-pifidianana.