CFM : miahiahy manoloana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena

0

Manoloana ny toe-draharaha politika lalovan’ny firenena, manambana indray ny fipoahan’ny Krizy ara-politika sy sosialy eto Madagasikara. Izay no nisongadin’ny CFM na ny Conseil du Fampihavanana Malagasy androany nandritra ny fanokafana ny fivoriana ara-potoana voalohany. Tsy mbola nahitam-bokany ankilany ny fanelanelanana na ny fampihavanana entin’izy ireo hamahana ny olana.