Claudine Razaimamonjy: Ahoana ny nahafahany niala ny hopitaly sy nitsoaka tany ivelany?

0

Nalefa nitsoaka any Maurice i Claudine Razaimamonjy. Tompon’antoka tamin’izany ny fitondram-panjakana. Tranga izay efa nampoizina toy ny zava-nisy tamin’ireo raharaha mafana rehetra teto amin’ny firenena. Andrasana ny fandraisana andraikitry ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara izay nilaza ny tsy hanaiky lembenana manoloana ity raharaha ity.