CMC Andohatapenaka : mampitaraina ny maro ny fitarazohan’ny fandraisana eny an-toerana

0

600 hatramin’ny 800 isan’andro ny olona voarain’ny Centre Médical Covid-19 Andohatapenaka. Ankoatra ireo olontsotra hanao fizaham-pahasalamana, mpiasan’ny orinasa afak’haba eto Antananarivo sy ny manodidina ny ankamaroany. Isany mampitaraina ny rehetra tonga eny an-toerana ny fitarazohan’ny fandraisana azy ireo ka mitarika ny filaharam-be.