CNRIT : Court-circuit no nitarika ny firehetana tamin’ny 3 ora sy sasany maraina teo

0

Trano famakiam-boky iray, laboratoara 2, birao 3, ary trano fitehirizana 5 no potiky ny afo izay nanomboka tamin’ny 3 ora sy sasany maraina teo  teny amin’ny CNRIT na ny Centre National de Recherches Industrielle et Technologique etsy Tsimbazaza. Court-circuit tamina efitra iray no voalaza fa niandohan’ny afo ary niitatra tamin’ny efitra hafa. Nambaran’ny talen’ity  toeram-pikarohana ity  fa tsy misy idiran’ny resaka fitantanam-bola eo amin’ny centre izao firehetana izao.