COVID-19 : hisokatra manomboka rahampitso ny CTC-19 Alarobia

0

Ho fandraisana an-tanana ireo mararin’ny COVID-19, hisokatra manomboka rahampitso ny CTC-19 eny amin’ny Lycée Technique Alarobia. Ny ivon-toerana eny Alarobia izay handray an-tanana ireo antsoina hoe « formes modérées » izany hoe ireo manomboka mihasempotra ka heverin’ireo mpitsabo fa afaka  hampiasaina ireo « concentrateurs d’oxygène » tahaka ny eny Mahamasina.