CSB II Betanatanana : mandray marary 60 isa isan’andro

0

Efa manomboka miala amin’ny fomba mahazatra amin’ny fahatahorana amin’ny fanatonana ny tobim-pahasalamana ny vahoaka monina any Ambanivohitra ao anatin’ny distrikan’i Maintirano amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny fanatonana ny CSB, manampy azy ireo ihany koa ny fisian’ny mpanentana ara-pahasalamana izay efa voahofana manokana.