CUA : hanatanteraka fanisana ny trano fonenana

0

Hanaovana fanisana manokana ny trano fonenana eto Antananarivo renivohitra amin’ity taona 2021 ity. Ankoatran’ny fananana antontan’isa mazava momba ny trano fonenana manerana ny boriboritany 6, tanjona ny hanatsarana ny fampidiran-ketra avy amin’izay na ny IFPB. Androany no tontosa teny anivon’ny kaominina ny Atrikasa fanombohana ny fanisana na ny RPB  2021.