Datim-pifidianana : tsy fantatra mazava ny hevitry ny TIM

0

Tsy fantatra mazava ny tena hevitry ny antoko politika TIM mahakasika ny datim-pifidianana sy ny fanatantehina ny fifidianana eto amintsika. Nivantana ny Sabotsy lasa teo ny fanehoan-kevitr’i Hanitra RAZAFIMANATSOA fa mbola maro ny lafin-javatra mila vahana mialohan’ny hirosoana amin’ny fifidianana. Androany, nilaza ny filohan’ny Antoko politika TIM fa tsy misy olana aminy ny datim-pifidianana.