Diaspora Malagasy – Sénégal : vonona hitondra anjara biriky hampandrosoana ny firenena

0

Vonona hifanome tanana amin’ny fitondram-panjakana malagasy ireo diaspora malagasy any Senegal. Izay no isany nivoitra nandritra ny fihaonan’izy ireo sy ny filohan’ny repoblika Andry Rajoelina tany an-toperana ny Alarobia teo. Maro amin’ireo diaspora no miasa amin’ny sampan-draharaha iraisam-pirenena sy ireo Fikambanana iraisam-pirenena.