« Dinika politika » Madagasikara – Vondrona Eropeana: Tsy noresahana ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimieram-pirenena.

0

Fanomanana ny fifidianana, teboka iray lehibe noresahina nandritra ny fivoriana voalohany  tamin’ity taona ity ho fanamafisana ny fifanaraham-piarahamiasa eo amin’i Madasikara sy ny Vondrona Eoropeana.  Fifidianana mangaraharaha sy ara-demokratika no takiana eto amintsika ankehitriny, tsy hita anefa ny fampiharan’ny fanjakana izany, indrindra amin’ny fanomezana ara-dalàna ny toeran’ny mpanohitra eto Madagasikara.