Distrikan’Ampanihy : tafiakatra 10 ny zaza maty noho ny kere tato anatin’ny 2 volana

0

Tafiakatra 10 ny zaza maty noho ny kere tao anatin’ny distrikan’Ampanihy tao anatin’ny 2 volana. Atahorana hiakatra ny tarehimarika raha tsy misy ny fandrindrana ny fizarana ny fanampiana indrindra any amin’ireo toerana lavitra sy saro-dalàna. Isan’izany ny any ANKITIKITIKY, VORODRAHA sy ny maro hafa izay anaovan’ny solombavambahoaka antso avo amin’ny BNGRC.