Domaines Ambohidratrimo : nitokona ny mpiasa androany

0

Nanaitra sy nampametraka fanontaniana ireo olona hikarakara taratasy tao amin’ny biraon’ny Domaines ao Ambohidratrimo androany ny fitokonana tampoka nataon’ireo mpiasa tao ka nahatonga azy ireo niverim-potsiny sy lany fotoana. Raha ny fanambarana navoakan’ireo sendikalista tamin’ny faran’ny herinandro anefa dia ny faha-10 aprily ho avy izao izy ireo no hitokona raha tsy mivaly ny fitakian’izy ireo.