Drafi-pirenena momba ny asa mendrika: hiroso amin’ny dingana faharoa isika

0

Tsy tratra ny tanjona tamin’ny fametrahana ny asa mendrika eto Madagasikara tamin’ny alalan’ny fanatanterahana ny drafitra momba ny asa mendrika andiany voalohany, araka ny nambaran’ny Filohan’ny GEM Thierry Rajaona. Ambony manoloana io ny andrasan’ny sendikan’ny mpiasa sy ny eny anivon’ny sehatra tsy miankina mikasika ny fanatanterahana ny dingana faharoan’ity drafitra momba ny asa ity. Androany no notontosain’ny governemanta Malagasy sy ny BIT ny fanaovan-tsonia amin’ny fanatanterahana azy.