EDITO

0

Tsy nafeninin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina intsony ny faniriany hanova ny Lalàmpanorenana. Lainga nafafy tamin’ny vahoaka Malagasy no nilazana fa ny fandinihina ny votoatin’ireo volavolan-dalàna hifehy ny fifidianana no niantsoan’ny governemanta ireo parlementera. Fanovana Lalàmpanorenana izay efa nambaran’ny Malagasy maro sy ny Fianakaviambe iraisam-pirenena fa tsy fotoana hanaovana izany izao fa hiteraka tsy fitoniana.