EDITO

0

Tokony hahatsapa tena hametra-pialàna ireo tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena tsy mahavita ny asany sy ny andraikitra nakinina taminy, hoy ny Filohampirenena Hery Rajaonarimampianina nadritra ny fandaharana Fotoambita faha-15. Fa iza no nanendry azy ireo? Iza no nametra ny asa sy andraikitra tokony ho tontosain’izy ireo? Ary iza no manam-pahefana handrefy izay tsy tontosan’izy ireo?